Galerie photos Hanson,
plus d'une centaine d'images !!!!!
Sali sali !!!
Tena nazoto be ah androany dia naka screenshots vitsivitsy avy amin'ilay konseritra akostika nataon'ireto mpirahalahy telo mitsam reto ! Misy sary tany amin'ny studio koa manampy azy ao.
Tsy iza moa ireo fa ry Hanson e ! Tsy tadidinareo ve ry MmmmBop sy Lucy sy Weird sy I will come to you sy Where's The Love? sy ny sisa sy ny sisa ?!
Ehh, zany ny fahazazana.
Telo no isan'ny albums tena nandeha amin'ireo navoakan-dry zalah : Middle Of Nowhere (1997) misy ireo hira nolazaiko tetsy ambony, marihako eto fa voalohany tamin'ny charts amerikana MmmBop tamin'ny androny, teo alohan-dry Michael Jackson, You are not alone !
Haha
Avy teo dia nisy an'ny This Time Around nivoaka tamin'ny 2000. Masaka be koa io iray io ! If Only, vazo manentana be zay no tena hit tamin'izany andro izany. Ary tamin'ny herintaona, march 2004, raha ny marimarina kokoa, no nivoaka ilay Underneath sy Underneath Acoustic. Henjana be daholo ny vazo amin'io farany io ! Penny and Me sy Lost Without Eachother no efa mandeha matetika amin'ny MTV. Mahay ry zalah ka !
Ny mombamomba an'izy telo mitsam indray ...
Isaac Hanson no zokiny, 25 taona. Leiry mitendry gitara - tonga dia Gibson !! - sy manao feo voalohany sy faharoa. Deeper ao amin'ny Underneath izy no lead vocal. Miara-mihira amin'i Michelle Branch izy amin'io iray io.
Taylor Hanson, 22 taona. Leiry moa izany no azo antsoina hoe leader. Ra Taylor matetika no manao lead vocal, mitendry piano sy gitara sy farara. Masaka kosa aloha ny feon'ty bandy ty e ! Efa manam-bady sy Zaza roa leiry !
Mahery !
Zac Hanson, 20 taona. Leiry indray no mpively aponga amin'ito tarika ito. Taloha, tamin'izy 10 taona, mbola nisy nanaraka leiry rehefa mitendry fa izao efa mahaleo-tena ranamana! haha. Izy koa no manao ny feo faha-telo. Amin'ny Misery sy Broken Angel , Underneath, Zac no manao lead, dia mitendry gitara sy farara koa.
Lava be zany kôzy zany fa ndana am'zay mijery reo sary e !! hahaha
Itsy amin'ny sisiny havia itsy misy hoe Kisarisary dia eo lay Hanson : Live in Chicago eeeeeeeeee !!!
Okay !