Jeudi 17 mars 2005
-
Par Tanalahy
Mozika :
ny tarika i-Farateny
Kaiza daholo indray !
Ny masaka atolotro anareo androany dia vaovao momba ireto zatovo malagasy
mpanao mozika misandratra ireto.
i-Farateny no anaran'ilay tarika ka karazan-kira mitovy amin'ireny "ballads" ireny,
amin'ny teny malagasy, no tena fanaony.
I Lila, ilay sipa manjakely ao amin'ny kisarisary ao, no namorona ny tarika
ary izy ihany koa no manoratra ny ankamaroan'ny hira ataon-dry zareo.
Ireo anadahiny, Tsiry sy Ando, ary koa ireo havany, Sedra sy Teza sy Ravo,
miampy namana, Nandrianina no mameno ilay tarika.
Afaka ny hihaino sombiny amin'ireo hiran'ny i-Farateny ianao amin'ny manaraka.
Mandra-pà reo ny sary !! hahaha Siks e !
Tanalahy






